“Mampitandrina aho amin’ izao fifidianana ho avy izao: hikapoka mafy dia mafy izahay amin’izay manao vinany eo ka manao ny tsy fahamarinana, fangalaram-bato, fampiasana mpiasam-panjakana sy fitaovam-panjakana.” Io ny nambaran’ny filohan’ny HCC, Florent Rakotoarisoa, taorian’ ny nandraisany ny sekretera jeneralin’ny Frankofonia teny Ambohidahy, omaly, momba ny fifidianana depiote. Mba hijanonan’izany fomba ratsy izany no antony, ary hananana fifidianana madio.
Mazava ny sazy apetraky ny lalàna. Eo ny sazy amin’ny fampielezan-kevitra, mety hiafara amin’ny fanalana an-daharana ny kandidà raha misy fihoaram-pefy. Amin’ny fifidianana kosa, mety ho fanafoanana amin’ny ampahany na manontolo ny valim-pifidianana izany. Manome toky ny HCC fa miezaka lalandava hampadio ny fifidianana. Miantso ny mpanaratsy sy manao izay handotoana ny andrimpanjakana, na ny HCC na ny Ceni, izy: raha misy zavatra tsy mety ataon-dry zareo, itondrana porofo amin’ izany fa tsy atao ankapobeny fotsiny hoe tsy ekena.
R. Nd.