Fifidianana depiote: mametra-pialana ireo minisitra ho kandidà

Mazava ny voalazan’ny lalàna, momba ny fiatrehana ny fifidianana solombavam­bahoaka, ho an’ireo sokajin’olona sasany amin’ny andrai­kitra sy ny asa sahaniny avy. “Mametra-pialana avy hatrany ireo minisitra na governoran’ ny faritra am-perinasa rehefa tafiditra ao anatin’ny lisitra ofisialin’ny ho kandidà solombavambahoaka, havoakan’ny rafitra mikarakara sy misa­hana ny fifidianana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana. Na izany aza, tsy mitovy ny lalàna mifehy ireo olom-panjakana na koa manam-pahefana sy ireo olom-boafidy mikasa ny hiro­tsaka hofidina solombavambahoaka.
Tsy voatery hametra-pia­lana, ohatra, ireo depiote na koa ireo ben’ny Tanàna na mpanolotsain’ny Tanàna am-perinasa, raha manana fika­sana hirotsaka hofidina so­lombavambahoaka amin’ny 29 mey izy ireo. “Afaka mangataka fe-potoana na andro maromaro hisintahany amin’ ny andraikiny nosahaniny fotsiny izy ireo mandra-pahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka”, hoy ihany izy.

Hametra-pialana ny 18 avrily ireo minisitra

Raha ny feo miely, hisy hi­rotsaka hofidina depiote ireo minisitra sasany eo anivon’ny governemantan’ny Praimi­nistra, Ntsay Christian, amin’ izao fotoana izao. Izany hoe, tokony hametra-pialana ny 18 avrily izao izany ireo minisitra ireo. Havoakan’ny Ceni amin’io fotoana io ny lisitra ofisialin’ireo kandidà ho depiote.

Synèse R.

Partager sur: