INDRAY MIJERY

Hanao ba kiraro tsy mitovy maroloko ny daholobe, anio, ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny trisomie 21. Afaka miara-miaina anaty fahasamihafana no hafatra tiana ho voizina amin’ny hetsika iraisan’ny firenena maneran-tany ka hanentanana ny Malagasy handray anjara.

Hitohy ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy, hiitatra amin’ny afovoan­tany sy any amin’ny atitanin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana izany nanomboka ny alina. Antonony, amin’ny ankapobeny, ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo ary hitohy anatin’ny telo andro ho avy izany.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny nify omaly. Hiankinan’ny fahasalaman’ny vatana ny fahasalaman’ny aty vava ka ilaina ny fikolokoloana azy. Tsy tokony hohadinoina ny manara-maso ny fahasalaman’ny nify isan-taona. Ahena ny fihinanana zava-mamy sy ny paraky ary ny sigara. Borosiana hatrany ny nify isaky ny avy misakafo.

Mpampianatra 34 ao amin’ny Dren Boeny no niofana mahakasika ny plateforme ECS-Programme
03-Unesco. Tanjona ny hampiroborobo ny fanabeazana feno ara-pananahana. Ampahafantarina ireo mpanabe ny fisi­an’ny vovonana sy ny hanentanana azy hanovo fahalalana ao anatin’izany. Miandraikitra ny fiofanana ny vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco.

Partager sur: