Taona 2023, feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI). Mitohy amin’izao taona 2024 izao izany. Fantatra fa hifamotoana amin’ny mpitia hira evanjelika ity tarika manana ny maha izy azy ity. Amin’ny alahady 24 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Ankadifotsy. Raha ny fanazavan-dry zareo, sambany no hanatanteraka kaonseritra iray manontolo ao amin’io fiangonana io ny Tanora Masina Itaosy. Ny sampana Sekoly Alahady, eny an-toerana, no mikarakara ity kaonseritra evanjelika tsy misy vidim-pidirana ity.
Raha tsiahivina, ny 5 febroary 2023, tamin’ny alalan’ilay fampisehoana lehibe notontosaina tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina no nanakatonan’ny Tanora Masina Itaosy ny fankalazana ny faha-30 taona niorenany. Io seho an-tsehatra io no nahazoan’izy ireo ny “Show live évangelique 2023” tao amin’ny Amitié Mozika Évangélique Award. Marihina fa anisan’ny mampiavaka ny TMI ny fananana tononkira mafonja sy mampita hafatra ary ny fahaiza-mampita izany ho an’ny sokajin-taona rehetra.
HaRy Razafindrakoto