Karate : Raikitra ny “Samy Jao” andiany faha-18

Raikitra indray ny fifaninanana « Samy Jao » “Challenge du Boeny”, taranja karate, tanterahina isan-taona. Fifanina­nana eo ambany fiahian’ny federasion’ny karate-do mala­gasy. Ny 30 sy 31 marsa izao no hanatontosana izany, ao amin’ny Complexe Sportif Am­pisikina, Mahajanga. Hisy ny fiofanana hatokana ho an’ny mpanazatra sy mpitsara ny 29 marsa, mialoha ny fifaninanana. Sokajy cadets sy juniors no hifaninana mandritra io roa andro io ary ireo mpikatroka sangany manerana ny ligy no hoavy handray anjara amin’
ity andiany faha-18 amin’ny « Samy Jao » “Challenge de Boeny” ity. Ankoatra ny maha fifaninanana, tafiditra anatin’ ny fandaharanasan’ny fede­rasiona sy ny ligin’i Boeny ity, hisy ihany koa ny sivana hatao an’ireo mpikatroka. Nambar­an’ny eo anivon’ny FKM fa ho voaantso hotilina ho anisan’ny ekipa nasionaly izay mpikatroka roa voalohany mendrika indrindra, isaky ny sokajy. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny hetsika hatao ankoatra ny fifaninanana, toy ny diabe sy fampisehoana maro isan-karazany. Anisan’ny handray anjara ny klioban’ny Kokaju Tanjombato. Mpikatroka telo mianadahy no hisolotena ity klioba ity ary efa nanainga hihazo an’i Mahajanga izy ireo hiatrika ny fifaninanana.

Mi.Raz

Partager sur: