Korea – Afrika 2024 : handray anjara i Madagasikara

Voaasa handray anjara amin’ny fihaonana an-tam­pony Korea-Afrika 2024, any Seoul, ny 04 -05 jona, i Mada­gasikara. Fotoana iray hahafahan’ireo Malagasy mpandraharaha hifandray sy hifanakalo traikefa amin’ireo mpandraharaha any an-toe­rana. Mpiara-miasa akaiky eo amin’ny sehatry ny toekarena, efa ho 30 taona, ny roa tonta, izay nomarihina tamin’ny fifanaovan-tsonia fifanarahana, ny 28 aogositra 2023. Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampi­roboroboana ny indostria sy ny varotra, Razafindravahy Edgard, ny talata teo, tetsy Am­bohidahy, ny ambasadaoro koreanina, Park Ji-Hyun. Voa­resaka nandritra izany ireo tombontsoa azon’ireo Mal­a­gasy mpandraharaha amin’ny fandraisana anjara amin’ity fihaonana an-tampony Korea-Afrika ity. Ao anatin’izany ny famaritana sy ny fananganana tetikasa ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Fandraharahana

Laharam-pahamwehan’ny fanjakana ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Nisy ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena sy ny lalàna mifehy ny orinasa koperativa ary ny fametrahana ny fifanaraha ara-indostrialy. Imasoan’ ny minisitera ihany koa ny hita­diavana ireo mpanosika tetikasa matihanina (développeur) hampandrosoana ny indostria malagasy.
Tsiahivina fa miompana amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara sy ny fanamorana ny fifanakalazona ara-ba­rotra ny fifanarahana iarahana amin’i Korea. « Firenena afrikana voalohany hanaovan’ ny governemanta koreana fifanarahana tahaka ny natao tamin’ ny taona 2023 i Mada­gasi­kara», hoy hatrany ny ambasa­daoro koreanina, Park Ji-Hyun.

Henintsoa Hani

Partager sur: