Avy hatrany dia nahazo fandresena ny Makis Ladies teo amin’ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny medaly volamena, amin’ny Lalao Afrikanina. Fihaonana, tanterahina any Accra Ghana. Omaly alarobia, resin’ny Makis, tamin’ny isa mazava 20 no ho 5 i Nigeria. Toy ny nanaovan’ ny tovovavy malagasy fanazaran-tena fotsiny ry zareo nizerianina, nandritra ny fihaonana. Efa nitarika tamin’ny isa 10 no ho 0 ny Makis teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Vao nanomboka 1 mn dia efa nahatonga baolina nentin-tanana i Valisoa, mbola nampian’i Ginakely indray izany avy eo ary samy nahavita nanindry baolina avokoa taorian’io ry Delphine sy Claudia. Efa tany amin’ny fiafaran’ny fotoana vao nahatsindry baolina tsy voatsara ry zareo Nizerianina.
Hitohy anio ny fifanintsanana ka hidona amin’i Ghana, mpampiantrano, avy eo amin’i Tunisie ary i Ouganda ny Makis Ladies. Mivoaka ho mpandresy izay mahazo fandresena
be indrindra raha ny “formule” hitondrana ny fifaninanana no jerena. Raha ny fizotry ny lalao, heverin’ny rehetra fa anisan’ ireo ekipa be herijika handrombaka medaly ny Makis amin’ity.
Tompondaka