Loza tsy nampoizina: Zazalahikely roa maty nilatsahan’ny varatra

Zazalahy kely roa no indray namoy ny ainy, omaly tolakandro. Tsy andro nanjombona, tsy orana nilatsaka fa nirefodrefotra ny vara-maina. Lasibatra ireo zaza nilalao.

Maty tsy tra-drano, vokatry ny fahamaizana nateraky ny vara-maina ny zazalahy kely roa, omaly. Tao amin’ny fokontany tanambao Météo, any Main­tirano, no nisehoan’izany, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro. « Tsy nisy orana nilatsaka. Tsy nanjombona akory ny andro. Nibaliaka ny masoandro kanefa dia nirefodrefotra ny varatra tao an-tanàna », hoy ny fampitam-baovao nataon’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena nanaovana ny fanamarinam-baovao.
Ny loharanom-baovao hafa, teo an-tanàna, koa dia nanamarina izany : «  Nilalao kanety teo an-tokotany ny zazalahikely telo lahy. Tokony ho 12 na 13 taona izy ireo. Tsy nisy nanampo satria andro maina. Rehefa nirefodrefotra ny varatra dia niantefa tamin’ny kily (voamadilo) naniry teo amin’ny nilalaovan’ireo lasibatra. Maty tsy tra-drano ny roa lahy. Mbola malemy ny tongotry ny zaza fahatelo. May izy saingy tsy misy atahorana ny ainy. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly izy », hoy ny raim-pianakaviana iray nantsoina an-tariby halina, nanaovana ny fanamarinam-baovao.
Ankoatra ny aina nafoy sy ny zaza naratra, fantatra fa may ihany koa ny trano manodidina ny toerana nilalaovan’ireto ankizy. Nisy ny levona tanteraka niaraka tamin’ny entana tao an-trano. Misy kosa ny trano nahafahana namoaka ny entana. Indro­kely, zary tsy manan-kialofana, tra-boina ny tompon-trano.
Nijery akaiky ny voina sy nitondra ny teny fampaherezana ny fianakaviana ny mpitandro filaminana, halina.

r.r

Partager sur: