Efa an-dalam-piomanana amin’izao ireo mpirotsa-kofidina ho depiote. Olona toy inona? Manana ny fijeriny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert.
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale)?
Namearison Robert (-): Nakatona vonjimaika ny 15 febroary ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale). Aorian’izay, mikirakira ny lisitra ny Ceni. Avy eo, averina any amin’ny fokontany mandritra ny 20 andro izany. Ao anatin’izay, afa-mijery izany ny olon-drehetra: voasoratra ve ireo nisoratra ny 1 desambra hatramin’ny 15 febroary? Raha misy tsy ao na diso ny momba azy, manao fitarainana eny amin’ny fokontany. Raha tsy mampiditra ny anarany amin’izany ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), manan-jo ao anatin’ ny 15 andro hitaraina eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany izy. Mamoaka “ordonnance” ny amin’izany ny fitsarana.
Izay no voalazan’ny lalàna, fa tsy misy fampidirana anarana ao anaty lisitra raha tsy any amin’ny 1 desambra indray. Ny lisitra hatrany no miteraka olana amin’ny fifidianana. Aleo hatsaraina ny lalàm-pifidianana raha izay no olana. Tsy misy milaza ao anatin’ny lalàna hoe mbola mahazo misoratra anarana aorian’ny 15 febroary. Ny avy any amin’ny fitsarana no mahazo misoratra. Miteraka olana hatrany ny lisi-pifidianana. Nefa manakaiky ny vahoaka ny fifidianana hatao amin’izao.
* Ny amin’izay fifidianana izay, olona toy ny inona no tokony ho depiote?
– Telo ny asan’ny depiote: ny fanaovan-dalàna, izay tsy midika hoe tsy maintsy mahay lalàna, fa olona mahalala ny fiarahamonina misy azy. Vonona hitondra ny hetahetan’ny fiarahamonina, ka hamadika azy ho lalàna. Ny faharoa: fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka. Izay no anaovana fifanatrehana na fandehanana mivantana any amin’ny minisitra. Mila olona sahy sy vonona izay fanaraha-maso izay, ary hiaro ny tombontsoam-bahoaka. Fahatelo, ny fisoloana tena ny vahoaka. Olona sahy izany, mahalala ny olan’ny vahoaka ary mijoro ny amin’izany. Nefa ny amin’izao, tratran’ny hoe tsy mahazo mivadika amin’ny antoko nanolotra azy dia lasa manompo ny antokony ny depiote fa tsy mpanompon’ny vahoaka nifidy azy.
Nangonin’i R. Nd.