Nanambana antsy tompon-trano : jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamaky trano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Fan­kakamandroso, kaominina Am­bohitranandriana, distrikan’ Antsirabe II, ny 18 marsa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, anatin’io fokontany voalaza io, ilay lehilahy mpangalatra, tamin’ny 4 ora maraina. Nihevitra izy fa mbola rendriky ny torimaso ny tompon-trano ka nanararaotra handroba. Nanambana antsy avy hatrany io mpamaky trano io vantany vao tafiditra ny trano. Niezaka niantso vonjy ny lasibatra. Nanao tari-dositra ilay nanambana antsy. Niray hina ny fokonolona. Nifanenjehan’izy ireo io jiolahy io. Tsy tafatsoaka lavitra, tratran’ny vantan-dehilahy na­nenjika azy ity farany. Raikitra ny vono. Nodarodarohan’ny fokonolona vokatry ny hatezeran’izy ireo ilay mpandroba.

Efa mpandroba…
Mpanao io asa ratsy io, anatin’ny kaominina Ambo­hitra­nan­driana, nandrasan’ ny fokonolona ao an-toerana kendry tohiny ity jiolahy tratra ity. Nanamparatra nidaroka sy namono ireo vatan-dehilahy nahasambotra azy ka saika nanaraka hatramin’ny ainy. Tonga ara-potoana, nandray an-tanàna ny raharaha, ny zandary. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ilay mpangalatra. Natolotra ny fampanoavana taorian’izay ka notanana vonjimaika any am-ponja .

Tsiferana R.

Partager sur: