Ramakavelo Faly : “Tsy mazava ny tetiky ny mpanohitra”

“Raha raisina amin’ny stra­tejia politika, tsy mazava ny stratejia politikan’ny mpanohitra”, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Mazava be kosa ny stratejia politikan’ny eo amin’ny fitondrana: efa voafidy ny filohan’ ny Repoblika dia mitambatra izay manohana azy; avy eo, ataony izay hahazoany ny maro anisa eny amin’ny An­tenimierampirenena ary Prai­minisitry ny fitondrana no eo.
Tsy azo na tsy mazava kosa ny lojikan’ny eo amin’ny fanoherana: nilaza tsy hanao fifidianana filohan’ny Repo­blika dia tsy nanao tokoa. Lazainy fa tsy ara-dalàna izany noho ny antony maro. Mani­nona àry ry zareo no mirotsaka indray amin’ny fifidianana depiote amin’izao? Raha hita hoe tsy ara-dalàna ny fifidianana filohan’ny Repoblika, tokony hotohizana izay lojika izay. Azo tenenina koa hoe: tsy ara-dalàna io, fa hiditra ao ihany ry zareo; rehefa tonga ao, hanamboatra an’izany amin’izay. Tokony hisy politika mazava havoakan’ny mpanohitra, raha tiany hazava amin’ny olona hoe te hampandroso ny firenena tokoa ry zareo.

R. Nd.

Partager sur: