Tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka : manimba ny maha olona raha tsy voasoroka

Olana lehibe amin’ny fahasalamam-ba­ho­aka sy ny ara-tsosialy ary ny ara-toekarena ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Mi­sy fiantraikany goavana amin’ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny iza­ny, indrindra ho an’ny zaza madinika sy ny vehivavy bevohoka ary ny reny

Mahatratra 48,4% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto amin’ny Nosy, indrindra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy, araka ny fanadihadiana nataon’ny EnsoMD, niarahana tamin’ny ONN, ny taona 2018. Lasibatra amin’izany ireo ankizy 6 hatramin’ny 59 volana. Nihena ho 47,12 % izany tamin’ny taona 2019. Lasa 40,9% ny tranga manerana ny Nosy, araka ny fanadihadiana nataon’ny SMART, tamin’ny 2021. 29,9% ny tranga any Ampanihy, raha toa ka 50,3% kosa any Betroka izay ahitana tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka be indrindra. 1 isan’andro, ao anatin’ny mponina 10 000, ny tahan’ny olona matin’ny aretina amin’ny ankapobeny. Ahitana ny taha ambony indrindra amin’izany ny any amin’ny distrikan’Ambo­vombe. Ankoatra izay, anisan’ny ahitana ny tranga ihany koa ny eto amin’ny faritra Analamanga. Toy ny etsy amin’ny distrikan’Atsimondrano. Manodidina ny 48% ny olona ahitana sy miaina ao anatin’ny tsy fanjarian-tsakafo ao an-toerana. “Tanjona ny hanova ny foto-pisainan’ny mponina, eo amin’ny lafiny fahadiovana, ny fihinana sakafo ara-pahasalamana”, hoy ny depiote voafidy ao amin’ny distrikan’ An­tsimondrano. «Anisan’ny manimba ny maha olona iray manontolo mihitsy io aretina iray io, raha toa ka tsy voasoroka ka ilana fandraisana andraikitra goavana », hoy Randrianandrasana Alitiana, mpandrindram-paritry ny ONN eto Analamanga.
Mbola avo ny tahan’ny olona voan’ity aretina ity, hatramin’izao fotoana, na dia misy aza ireo ezaka ataon’ny eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra eto amin’ny Nosy. « Efa misy fihatsarany ny tsy fanjarian-tsakafo, in­drindra ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, eto amin’ny Nosy, taorian’ny fanadihadiana ifotony natao», hoy hatrany izy.

Vokatry ny tsy fahampian-tsakafo ohanin’ny olona iray
Aretina vokatry ny tsy fahampian-tsakafo sy ny otrikaina ohanin’ny olona ny tsy fanjarian-tsakafo, raha ho an’ny eto Madagasikara. Maro karazana ny fisehon’izany ho an’ny olona iray. Anisan’izany ny alofisaka. Mahia ilay olona, ary mitrakitraky avokoa ny taolana rehetra eo amin’ny vatany. Eo ihany koa ny aretina antsoina hoe alobotry, izay mahatonga ny vatan’ilay olona hibinabina. “Tsy ampy intsony ny hery fiarovana eo amin’ilay olona ka antony mahatonga izany”, hoy ny mpitsabo etsy 67ha nanontaniana, ny Dr Rakotonindrina Norbert.Toy ny tsy fahampian’ny proteina, ny calcium, ny vitamina… Mahatonga ny taolana hivilana, mampikatona ny lohamalemin’ny zaza alohan’ny fotoana izany, na mampihintsana ny nify, na mahabingo ny taolana ihany koa izany. Indray mandeha isan’andro ihany no misakafo ny tokantrano sahirana ara-pivelomana, indrindra ny eny amin’ny tanàna sahirana eto Antananarivo. “Tsy ampy ny kaloria tokony hohanin’ny ankizy noho izay zava-misy izay. Mbola tsy ampy ihany koa ny kalitaon’ny sakafo”, hoy hatrany ny mpitsabo. Lasa ny habetsaky ny sakafo fotsiny ny ataon’ny ankamaroan’ny olona fa tsy mitandro ny kalitao ara-pahasalamana intsony. Tena tratran’ireo aretina ireo ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa manomboka tratra ihany koa ny olon-dehibe, raha ny any amin’ny faritra Atsimo manokana.

Tsy andairana vaksiny intsony ny ankizy

Anisan’ny mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara ny tsy fiovan’ny sakafo hohanin’ny Malagasy isan’andro. Mora andairan’ny aretina hafa ny ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Matetika mitarika amin’ny fahatongavan’ny aretina hafa eo amin’ny vatan’ny olona iray izany. Mora handairan’ny aretina hafa, toy ny aretin-kibo, lagaly, raboka ny ankizy iray na dia efa vita vaksiny aza. Tsy mandaitra intsony ny vaksiny atao amin’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Noho ny tsy fiasan’ny hery fiarovana eo amin’ny vatany intsony.Ho fisorohana ny aretina eo amin’ny rehetra, indrindra ho an’ny zaza. Aleo mihinana sakafo kely ampy toy izay betsaka fa mahavoky fotsiny. Ilaina ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy maroloko isan’andro. “Tokony hisy ny karazana otrikaina maro samihafa ny sakafo hohanin’ny olona iray, ahitana ny kaloria, ny proteina, gliosida, lipida… mba tsy hahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka”, hoy hatrany ny mpitsabo, ny Dr Rakotonindrina Norbert. Rehefa tsy hain’ny olona ny misakafo dia tratran’io aretina io foana izy.
Mila fitsaboana sy fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika mahazo ny zaza 115.000 any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, araka ny fanadihadiana nataon’ny Unicef, tamin’ny taona 2023. Ny fiankinandoha loatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana sy ny halaviran’ny tobim-pahasalamana no tena sakana ho an’ny ankamaroan’ny olona rehefa tratran’ity aretina ity. “Lasa mampanify ny vavony sy ny tsinain’ny ankizy voan’ny aretina ny fanomezana azy karazana tambavy maro samihafa ka tsy tokony hatao fahazarana”, hoy hatrany ny mpitsabo, ny Dr Rakotonindrina Norbert.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: