Wednesday Morning Group : nizara “serviette hygiénique” azo sasana

Nizara “serviette hygiénique” azo sasana ho an’ny mpianatra teny an­ivon’ny CEG Ambohima­na­rina ny Wednesday Morning Group (WMG), omaly. Nisi­tra­ka izany ireo mpianatra zatovo­vavy 450 eo anivon’ny kilasy 5ème, 4ème ary 3ème eny an-toerana. Mbola mahamenatra ny maheno fa tonga fotoana ny zatovovavy. “Mila ampianarina ny zatovolahy sy ny zatovovavy fa tsy tokony hahamenatra ny fahatongavan’ny fadimbolana ka antony nanaovana ny he­tsika”, hoy ny filohan’ny WMG, Ramamonjisoa Solange.
Maro ny tombontsoa amin’ ny fampiasana ny “serviette hygiénique” azo sasana satria mitandro ny fahadiovana sy ny fahasalamana ary ny tontolo iainana. Afaka soloina sy sasana matetika ary averina ampiasana indray izy io. Mampihena ny vola mivoaka ihany koa. “Fofona ny tena olana fa tsy ny fahatongavan’ ny fadimbolana eo amin’ny vehivavy iray. Manampy betsaka amin’izany ny fampiasana ity fitaovana iray ity”, hoy ny filohan’ny fikambanana WMG.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny InnerWheel club An­tananarivo nahafahana na­namboatra io fitaovana io.

Mino

Partager sur: