Nirarakompana ny fanesorana sy fanendrena prefet na sefo distrika teo anivon’ny minisiteran’ny Atitany, nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha. Miisa 26 izy ireo ka anisan’izany ny sefo distrika boriborintany II sy III. Ny prefet an’Antsiranana, Maevatanana, Nosy Be, Ambatondrazaka, Antsohihy…
Hirosoana ny fanakatonana ny kaonsily jeneralin’i Madagasikara any Cape Town, atsy Afrika Atsimo. Nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra izany. Efa manana masoivoho ofisialy, any Prétoria, afaka misahana ny asa any amin’ity firenena afrikana ity isika. Natao izao mba hahafahana manokatra masoivoho na kaonsily any amin’ny firenen-kafa.
Hampahafantarina rahampitso, ao amin’ny Magro Tanambao, ireo kandidà ho an’ny vovonana Firaisankina isaky ny distrika ho an’ny faritanin’i Toamasina. Ho avy any an-toerana ireo olobe mpitarika ity vovonana ity haneho izany amin’ny fomba ofisialy.
Tonga eto, mijery ny fanomanana ny fifidianana depiote, ny iraky ny Frankofonia, i Calmy-Rey. Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, ny tenany, afakomaly. Voaresaka tamin’izany ny raharaham-pirenena sy ny hiatrehina ny fifidianana. Eo koa ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana.