«Festival Temps Fort Théâtre »: hiaka-tsehatra ny Mangano Massip

Ny Compagnie Mangano Massip, avy any Frantsa indray no hiaka-tsehatra eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny «Festival Temps Fort Théâtre », anio. Mandri­tra izany no hilalaovan’izy ireo ny piesy teatraly « Les Aimants ». Vondrona mpiangaly teatra anisan’ny manana ny maha izy azy ny Compag­nie Man­gano Massip. Firene­na maro tao Eoropa sy Azia no efa nandalovany sy nametrahany ny maha izy azy ireo. Amin’ izao fandalovana eto Mada­gasikara, ao anatin’ny “Temps Fort Théâtre” izao, ezaka sy tanjona ny hizara ny fahaiza-manao eo amin’ny filalaovana an-tsehatra, indrindra ny teatra moderina.
Anisan’ny maro mpiandry ny fandraisan’anjaran’ity kao­m­pania ity. Seho an-tsehatra niforona ny taona 2014 ny “Les Aimants” ary i Sara Man­gano sy Pierre Yves Massip no nanatontosa azy. Teatra maneho tantarana mpifankatia, laroina dihy, maharitra 60 minitra, izy io. Efitrano fijerena teatra maro tao Frantsa no naka azy, taorian’ny nivoahany. Nivelatra nanerana izao tontolo izao izany taty aoriana ary izao tonga eto Mada­gasikara izao folo taona aty aoriana.

Lin

Partager sur: