Hanokafan’ny tarika Iray Fy’Art ny fampisehoany amin’ity taona ity ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza. Hotanterahina ny alahady izao, amin’ny 1ora tolakandro, eo anoloan’ny “Cantine” CEG Mahazaza izany. Lohatenin’ny seho hataon’izy ireo : “Ny herin’ny vola”. Tantara maneho ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina iainana amin’
izao fotoana izao sy ny fampihomehezana eny antsefantsefan’ny tantara eny. Hitondra izany eny an-tsehatra ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, ahitana an’i Niravo, Antsaravaka, Rakoto, Faly, Synèse. Hisahana ny fandrindrana ny seho sy ny lafiny teknika ary ny fanentanana kosa i Bruno Rakotomalala. “Hifanakaiky kokoa amin’ireo mpankafy izahay amin’izany seho izany. Heno anaty onjam-peo foana ny feonay fa amin’izao kosa tena hifanatrika sy hifampitakosona amin’ireo mpankafy sy ny mpanaraka tantara izahay”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny faha-45 taon’ny CEG Antanetibe Mahazaza izao fampisehoana izao. Mikarakara izany ny biraon’ny maintimolaly sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra.
Hitohy hatrany ny seho ataon’ny Iray Fy’Art ka any Andraikiba Antsirabe indray izy ireo ny 21 avrily. Any Arivonimamo ny 28 avrily ary ny 5 mey kosa, eny Manankasina Fenoarivo.
HaRy Razafindrakoto