Lalao Afrikanina : medaly volafotsy ho an’ny Makis Ladies

Nifarana omaly ny fifaninanana taranja rugby lalao­vin’ olona fito, sokajy vehivavy, amin’ity Lalao Afrikanina andiany faha-13, atao any Accra renivohitr’i Ghana, ity. Nandrom­baka ny medaly volafotsy ny Makis Ladies. Raha hiverenana kely ny fihaonana rehetra nataon’ny Makis tamin’ity fifanintsanana ity, lavon’izy ireo tamin’ny isa, 20 no ho 5 i Nigeria, teo amin’ny lalao voalohany. Resin’i Ghana, mpampiantrano, tamin’ny isa 15 no ho 10 izy ireo, nandritra ny lalao faharoa. Taorian’io, nandresy ireo vehivavy tonizianina, 26 no ho 10, ny Malagasy, tamin’ny fifanandrinana fahatelo. Farany, nomontsanin’i Oganda ta­min’ny isa mavesatra 29 no ho 0 ny ekipa nasionaly ma­lagasy. Araka izany, faharesena roa sy fandresena roa no azon’ny Makis. Tsy nitsanga-menatra ny vehivavy Makis tamin’ity fifanintsanana ity na dia tsy nandrombaka ilay medaly volamena aza. Tsara ny mampahatsiahy fa ny ho laharana voalohany no fanamby napetrak’izy ireo tamin’ity lalao any Ghana ity.

Fitia Randria

Partager sur: