Tafiditra ao anatin’ny “Phénix 2030”, Drafi-panarenan’ny orinasa Madagascar Airlines ny fanampiana ireo fiaramanidina hiandraikitra sidina anatiny eto Madagasikara. Ankehitriny, fiaramanidina ATR roa sisa no miasa eo anivon’ity kaompania ity. Hisy, araka izany, ny fanampiana ATR efatra hafa hampitomboana ireo fiaramanidina hanao sidina anatiny “Ho tonga eo anelanelan’ny volana mey sy jolay izao ny fiaramanidina roa voalohany. Andrasana ny volana septambra izao ny iray hafa raha ho avy ny volana janoary 2025 ny fiaramanidina iray farany”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny Madagascar Airlines Analakely. Samy ATR72-500 avokoa ireo fiaramanidina hanampy indray amin’ny fifamoivoizana ana habakabaka ireo.
Nanomboka ny volana novambra 2023 teo ny fampiharana ny Drafi-panarenana “Phénix 2030”. Namatsy vola mitentina 60 tapitrisa dolara ny Banky iraisam-pirenena hanampiana ny kaompania mandritra ny efa-taona. Ny 25 tapitrisa dolara entina hanatanterahana ireo teboka efatra hanarenana ifotony ny kaompania. Ankoatra izay, tafaverina eo anivon’ny International Air Transport Association (IATA), ny 11 marsa teo, ny kaompania Madagascar Airlines, rehefa niala tsy ho mpikambana nandritra ny 10 taona, noho ny antony maro samihafa. Nanamarika io daty io koa ny fiverenany eo anivon’ny IATA Clearing House (ICH), vovonana eo anivon’ny IATA miandraikitra ireo tapakila lafon’ny kaompania maro isan-karazany.
Henintsoa Hani