Mora mandray zavatra tokoa ! Voarebirebin’ny atsanga tsy aman’ orana ny Malagasy

Malaza ho mahay mandray vahiny ny Malagasy. Rehefa zohina, tsy ny vahiny ihany no hainy mandray fa zavatra maro. Tsy miandry fotoana ela ny ankamaroan’izy ireny dia efa any amin-dRamalagasy. Rehefa voarainy indray, tsy amelany na hita fa randrana tsy manendrika ny tena aza !

Mahay zavatra ny Malagasy! Eny, tena izay tokoa. Hainy ny mampandihy afo eo ambony sahafa. Hainy ny manohana orana tsy hilatsaka. Hainy ny mamily lalana ny havandra tsy ho any an-tanimboly, sns. Ireny sy izay iray tarika aminy, hain’ny Malagasy avokoa satria lova napetraky ny teo aloha. Fa, hain’ny Malagasy ihany koa ny miteny vahiny. Hainy ny milalao baolina kitra. Hainy ny manao pataloa rovitra. Hainy ny mamingavinga raiamandreny. Hainy ny mino sy mitoky amin’ny anganom-bazaha. Hainy avokoa ireny, satria, nampianarina azy. Ireo tranga roa lehibe ireo ny ahafahana milaza fa mora mandray zavatra tokoa ny Malagasy!
Noho io fahaizany mandray io, nanjary tsy nisy « zavatra » (hevitra, fomba, fihetsika…) tsy voarainy, indrindra fa ireo nomena sy nampitain’ny vahiny. Voarainy hatramin’ireo atsanga tsy aman’orana.

Misia ny mazava…
Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra no mila miala sasatra ny mpianatra eto Madagasikara. Saingy, tsy izay ny zava-misy, satria, voarain’ny Malagasy antsakany sy andavany ilay nambaran’ny mpanjakazaka an-tanin’olona manao hoe : « ampianaro ireo Malagasy ireo mba hananany fahaizana hoenti-manampy antsika. Tsy azo atao mihoatra izany anefa fa sao mivadika amintsika izy ireo !» An’ny Malagasy i Madagasikara, saingy, lasa ny vahiny indray ny tompony, satria, izy no manana taratasy milaza izany. Nosoloina vola ny firaisankina nananan’ny teo aloha, ka na tsy tonga manatanteraka ireo adidy iombonana aza, tsy maninona. Tsy mahagaga, raha voavidy vola hatramin’ny aina, taty aoriana.
Nolazain’ny vahiny fa « misia ny mazava… », dia eken’ny Malagasy fa mazava tokoa izao vanim-potoana misy azy izao, satria, mora mandray zavatra izy. Tsy takany intsony fa atsanga tsy aman’orana ny ambara azy! Raha tsy mbola hain’ny Malagasy sy iainany ny fampiasana ny hasina ananany (teny, tany, fomba, fahalalana…), ho lasan’ny vahiny manontolo ity Nosy ity!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: