“Motor show 2024”: hanangonam-bola hitsaboana ankizy marary

Hotanterahina etsy amin’ny tokotany malalaky ny kianja Barea Mahamasina, ny sa­botsy 30 sy ny alahady 31 marsa ho avy izao, ny “Motor show 2024”. Hetsika karakarain’ireo mpankafy ny taranja mekanika. Nambaran’i Tojo Ranaivo, anisan’ireo mpikarakara, tamin’ny mpanao gazety tetsy Mahamasina, afakomaly, fa hanangonam-bola hitsaboana ny ankizy tena marary eny amin’ny hopitaly eto an-drenivohitra izy ity.
Seho maroloko no ho hita ao ka anisan’ny goavana ny fampirantiana ireo fiara raitra amin’izao fotoana izao sy ireo madinika “miniature”. Mande­ha araka ny lohahevitra izany ka hiaraka ny mitovy karazana, toy ny Peugeot na ny Mer­ce­des sy ny hafa. Sady haseho ny mpitsidika izy ireo no arahina fanazavana mahakasika ny tantarany sy ny mombamomba azy.
180 ireo mpampiranty efa nisoratra anarana. Ho hentitra ny fiahiana ny filaminana, indrindra ny fiarovana ireo fiara haranty. Ankoatra izay, hisy koa ny fampisehoam-pahaizana amin’ny bisikileta (ride). Hahazo sehatra avokoa ny olon-drehetra hitsidika ity “Motor show” ity. Anisan’izany ny fianakaviana satria hisy toerana hilalaovan’ny ankizy toy ny “jeux video” eny an-toerana. Handravaka ny roa andron’ny hetsika ny hirahira miaraka amin’ireo mpikosoka kapila.

Torcelin

Partager sur: