Sehatry ny angovo : toeram-pitsaboana 2 274 hovatsina herinaratra

Paikady manokana hataon’ny fanjakana ny famatsiana herinaratra ny tobim-pahasalamana. Miisa 2 274 ny CSB I, CSB II ary hopitaly voakasik’izany, izay any ambanivohitra ny ankamaroany.

Natao omaly, tetsy amin’ ny Carlton Anosy, ny atrikasa miompana amin’ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana eto Madagasikara. Miara-misalahy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka (Minsanp), ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola (MEF) ary ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT). Nivoitra nandritra ny atrikasa fa miisa 2 274 ny tobim-pahasalamana hovatsina herinaratra, ka any ambanivohitra ny 70% amin’
izy ireo. Maro indrindra ny CSB I sy II, ary hopitaly ny ambiny.
Nampahafantarina tamin’ity fotoana ity koa ny vokatry ny fanadihadiana sy ny tondrozotra ary ny dingana entina hanatanterahana ny tetikasa. Nanatontosa azy ny Trama Techno Ambiental (TTA) sy ny AIDES ary ny Global for people and planet (GEAPP), notohanan’ny SEforALL.

Vitaina mialohan’ny faran’ny volana jona ny ampahany
Laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka ny famatsiana herinaratra azo antoka sy maharitra amin’ny tobim-pahasalamana, mba ho tombontsoan’ny besinimaro. Tanjona ny hamatsiana herinaratra ampy sy sahaza ny tobim-pahasalamana lavi-toerana, sady afaka hampandehanana ny fitaovana ilaina
Hisy ampahany amin’ireo toeram-pitsaboana ireo, miisa 453, hovitaina hatramin’ny faran’ny volana jona 2024 ho avy izao, tafiditra ao anatin’ny tetikasa “LEAD”, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena.
Nitarika ny atrikasa omaly, ny sekretera jeneralin’ny MEH, Andriantsoa Thierry, notronin’ny tale jeneralin’ny Minsanp, ny Dr. Ramarolahy Rija ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy mi­ankina ary ny mpiara-miombon’antoka.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: