Hotontosaina ny 29 marsa ho avy izao ny fihodinana faharoa savaranonando amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2024”. Lalao 16 no hatao amin’io andro io. Anisan’ireo faritra handray lalao amin’izany ny any Ambanja, Ambilobe, Ambositra, Antalaha, Antananarivo, Fenerive-Est, Ihosy, Imerintsiatosika, Manakara ary Mahajanga.
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 24 – 31 marsa ho avy izao, ny fifaninanana tenisy “ITF- CAT Leg 1,2”, ho an’ireo mpilalao latsaky ny 14 taona. Aorian’ity fifanintsanana ity, hiatrika ny fifanintsanana afrikanina, sokajy zandriny U16, indray ny Malagasy mpilalao, ny volana avrily, hatao any Algerie.
Tapitra hatreo ny lalan’ny Ankoay, vehivavy, U23 ao anatin’ny Lalao Afrikanina, andiany faha-13, na dia nandresy an’i Egypte aza izy ireo. Niatrika ny ampahefa-dalana nanoloana ny Ouganda kosa ny Ankoay, sokajy lehilahy, omaly.
Voafidy ho federasiona tsara fitantanana indrindra ny federasiona iraisam-pirenen’ ny volley-ball, araka ny fanambaran’ny komity iraisam-pirenena misahana izany. Laharana fahenina kosa ny federasiona iraisam-pirenen’ ny baolina kitra.