Toy ny mahazatra, ny fetin’ny Paka any Antsirabe no manokatra ny « Star Tour ». Mpanakanto malaza maromaro no hifandimby an-tsehatra, mandritra ny telo andro amin’ity.
Lanonana telo andro tsy an-kiato. Toy ny isan-taona, hosokafana any Antsirabe, mandritra ny fetin’ny Paka ny “Star Tour 2024”. Ny 30 sy 31 marsa ary ny 1 avrily izao, araka izany, no hanatontosana ny hetsika ao an-tampon-tanàna. Efa fotoana ifanomezana izy ity, na ho an’ireo tompon-tany na ireo vahiny. Mpanakanto manana ny lazany no nosafidin’ny Star hanafana ny sehatra lehibe manoloana ny Gara, amin’ity.
Hanokatra ny andiam-pampisehoana ny sabotsy 30 marsa i Wendy Catalina, arahin’ny tarika AmbondronA. Hanohy izany ny alahady 31 marsa kosa i Johanne sy i Samöela. Hamarana ny seho ny alatsinainy 1 avrily ny tarika Oladad. Hisahana ny fanentanana eny antsefantsefany eny ry Fou Hehy, Bahrone ary i Teg. Notanana avokoa ireo karazam-pialamboly nahafantarana ny “Star Tour” hatramin’izay, ka anisan’izany ny fanafanana ny fiarahana hataon’ireo mpikosoka kapila. Eo koa ny fampilalaovana ireo mpijery izay hizarana fanomezana isan-karazany. Hisy hatrany koa ny lalao ho an’ny mpianakavy.
Ankoatra ny sehatra lehibe, hisy ny “Espace préssion”, ka eny amin’ity toerana ity no hanaovana ny fifaninanan-kira “duo cover” isaky ny amin’ny 5 ora hariva, ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra izay betsaka ao Antsirabe. Toerana hanaovana ny fanandramana ny “Racines”, vokatra vaovaon’ny Star koa izy ity.
Mialoha ny tena hanombohan’ny “Star Tour”, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny lafiny sosialy any an-toerana ny Star. Hanolotra « concentrateur d’oxygène » sy hizara kojakoja fiterahana ao amin’ny hopitaly Ave Maria izy ireo ny alarobia 27 marsa. Mitohy koa ny fametrahana baka Kopakelatra, hanangonana ireo tavoahany plastika, izay hapetraka eny amin’ny tobin-tsolika.
Zo ny Aina