TARATRY ny KANTO

Piment Café – Rija, Luk ary Mahery. Angamba ity fiarahana ity no tena manamarika indrindra ny Piment Café Behoririka. Hiverina ao indray izy telo mirahalahy, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ankoatra ireo hirany manokana, ilay mamerina hirana mpanakanto hafa no tena hanarahan’ny mpankafy ity fampiarahana talenta ity.

Fara West – Arison Vonjy. Elaela no tsy heno ity mpanakanto ity. Hiaka-tsehatra eny Faravohitra indray izy rahampitso sabotsy manomboka amin’ny 8 ora alina. Hiaraka aminy an-tsehatra, mandritra izany, ny Mad’in Voyage, ahitana an’i Tsanta, Harty ary i Bolo. Mozika malalaka be, mandalo ny jazz, ny funk, laroina gadona malagasy no holalaovin-dry zalahy ireto.

Alliance Française Antsirabe – hiaka-tsehatra ny groupe Lovana. Manome fotoana ireo liana, manomboka amin’ny 6 ora hariva ry Golly Miantsa sy ny tariny, anio. Zavakanto maroloko no hampiarahana an-tseahtra mandritra izany. Hanampy azy ireo ilay mpihira sady mpively amponga, Bema, sy i Aurèle Guibert, teratany vahiny milalao amponga maroanaka.

Kianjan’ny kanto – “Santabarin’i Rossy”. Haka endrika “cabaret” aloha ny amin’ity, izay hatao anio manomboka amin’ny 8 ora alina sy rahampitso amin’ny 12 ora atoandro. Fiaraha-misakafo arahina fampisehoan’ny tarika Rossy, sady fanandramana ireo vokatry ny tany sy ny fiompiana hataon’ity mpanakanto ity sy ny ekipany izany.

Partager sur: