Tranoheva am-polony no mampiranty ny hetsika ataon’izy ireo momba ny toetry ny andro eny Analakely. Anisan’izany ny GIZ.
«Raha tsy misy ny hetsika momba ny toetry ny andro hampihenana ny fiantraikan’ny fiovany, afaka 80 taona, hitombo 5°C ny hafanan’ny tany eto amintsika», hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valery, omaly. Teny amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany natokana ho amin’izany no nanaovany ny fanambarana. Antony mahatonga ny fanjakana manao ezaka lehibe amin’ny fandrakofana hazo ny velaran-tany 75 000 ha, hisorohana ny fiakaran’ny maripana.
Efa namolavola politikam-pirenena momba ny toetry ny andro ny fanjakana. Misongadina amin’izany ny fandrindrana ny asa atao, indrindra ny fahazoana antontam-baovao marim-pototra momba ny toetry ny andro, ny toetry ny rano ary ny toetry ny tany. Manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra maro ny antontam-baovao : fahasalamana, sy fihariana samihafa (fambolena, jono…), ary ny fanabeazana.
Nanana fitaovana fandrefesana momba ny toetry ny andro sy ny rano ary ny toe-tany 300 i Madagasikara teo aloha. Ankehitriny, 48 sisa no miasa. Vokany, ho anisan’ny laharam-pahamehana ny famerenana ny fitaovana mba ahazoana antontam-baovao azo antoka.
Natolotra omaly koa ny Drafitrasam-pirenena 2023-2027 mifandraika amin’ilay tetikasa fampahafantarana mialoha ny tandindon-doza ho an’ny rehetra, tarihin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.
Firenena voalohany manana rafitra mifehy ny rantsana fampitandremana mialoha i Madagasikara. Iraisan’izao tontolo izao ny vokatry ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Miseho amin’ny haintany, tondradrano, rivodoza mahery vaika, fiakaran’ny maripana ary ny fihenan’ny vongan-dranomandry “Banquise” izany. Nanamarika ny taona 2023 io tranga io ary ahina ho mafy kokoa amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny solontenan’ny Pnud eto amintsika.
Vonjy