« Up Short Contest »: sarimihetsika 15 no hiatrika ny famaranana

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Hakanto Con­temporary Ankadimbahoaka, ny fandefasana sy fifidianana ireo sarimihetsika miisa 15, tafita amin’ny dingan’ny famaranana ao anatin’ny « Up Short Contest », andiany voalohany, karakarain’ny Cine Up. « Ireo adin’ny vehivavy malagasy ». Io no lohahevitry ny fifaninanana izay ezahin’ireo mpifaninana resahina ao anatin’ny sarimihetsika mandritra ny 30 segondra hatramin’ny 10 minitra. Izay telo voalohany no hivoaka mpandresy ao anatin’izao fifaninanana izao ary vola 1 tapitrisa Ariary no ho azon’ny laharana voalohany.
Mpanatontosa 15 ihany koa, araka izany, no miatrika izany dingana izany. Amin’ny ankapobeny, mpanatontosa vao misandratra avokoa ireto mandray anjara ireto, Na izany aza, taratra ny talenta sy ny fahavononana avy amin’izy ireo. Tanjona ny hanasongadinana ny mety ho vitan’ny Mala­gasy mpanatontosa mba hisarihana sy hitarihana ireo mpampiasa vola na orinasa misehatra manokana amin’ny sinema.

Lin

Partager sur: