Vita hatramin’ny 75% ny fotodrafitrasa hametrahana ny toerana fiompiana trondro eto amin’ny faritra Analamanga, ny any Boeny izay efa 45% ny asa no vita, raha 55% ho an’ny faritra Fitovinany ary 30% ho an’Anôsy. Mahatratra hatrany amin’ny 20 000 ireo mpiompy trondro hisitraka mivantana ny tetikasa.
Nahazo alalana hanafatra vary 50 000 taonina avy amin’ny governemanta indianina i Madagasikara taorian’ny fifanarahan’ny firenena roa tonta. Misy ny antoka ara-piandrianana avy amin’ny fanjakana malagasy mba hahafahan’ny orinasa SPM misitraka izany sy hanohizana ny famatsiana “vary mora” ho an’ny vahoaka.
Hanamboatra ny lalam-pirenena RN12A ny orinasa sinoa CRBC. Voakasik’izany ny ampahany Lot 1 sy ny Lot 2. Mitentina 146,2 tapitrisa dolara ny tolobidy narosony, ambany indrindra miohatra amin’ny orinasa hafa. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana no hanaovana ny asa.
Hisokatra tsy ho ela ny fitaterana an-dalamby amin’ny zotra Atsinanana (TCE). Hizara roa izany, ka hisy ny ampahany Moramanga-Ambila Lemaitso, ary eo koa ny zotra Moramanga Toamasina. Antsoina hoe “Diatsara” ity zotra fitaterana olona an-dalamby ity, ka hanampy ara-bola hanatanterahina izany ny minisiteran’ny Fitaterana.