Voatery nozairina mihitsy ny lohan’ilay tovolahy novelesina andian-jatovo tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany tao Salazamay Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy fantatra eo amin’ny sehatry ny fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana ity niharam-boina ity. Tratran’ny ady tambabe izy tao amina trano fisotroana malaza iray akaikin’ny hopitaly manara-penitra. Niara-nisotrosotro tamin’ny sakaizany ity tovolahy mpanao fanatanjahantena ity. Nandray fanamafisam-peo fa hihira hanao karaoke. Nilaza anefa ireo andian-jatovo hafa tao amin’io trano fisotroana io fa izy ireo no tompon’ny laharana mihira. Niatomboka teo ny fifamaliana, niafara tamin’ny fifampihantsiana totohondry. Vokany, nivoaka ilay tovolahy mpanao fanatanjahantena ka nifindran-toerana tsy lavitra teo indray no nisotro. Tsy nijanona teo anefa fa narahin’ireo andian-jatovo valo izy sy ilay sakaizany. Tsy nisy resaka intsony fa avy hatrany dia nanaovan-dry zalahy ady tambabe tao ity tovolahy ity. Mafy ny ady satria samy efa mamomamo ireto andian-jatovo ireto. Tsy vitan’izay fa mbola nokapohan’izy ireo tavoahangy ny lohany. Sempotra avy hatrany ilay tovolahy niharam-boina. Torana izy noho ny ratra nahazo azy. Lasa nitsoaka kosa ireo nahavanon-doza, taorian’izay. Ilay sakaizany sy ireo olona teo amin’ny manodidina no nitondra azy teny amin’ny hopitaly. Mafy ny ratra nahazo azy araka ny fahitana azy teny amin’ny hopitaly ka voatery tsy maintsy nozairina.
Sajo