Nanatanteraka asa sosialy hanampiana ireo olona sahirana ny fondation Mohamed IV des Oulémas Africains eto Madagasikara, afakomaly. Nisitraka izany ireo mponina marefo ara-pivelomana 200 isa teo anivon’ny fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty. Nahitana vary iray gony, menaka roa litatra ary ronono mandry iray boaty avy ny tolotra. Tanjona ny hanampiana sy hanohanana ny mpiara-belona rehetra, izay anisan’ny lahasa ataon’izy ireo. “Mifanandrify amin’ny volana Ramadany ny hetsika ary nisitraka izany avokoa ny mponina teny an-toerana fa tsy ny silamo ihany”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Hamidou Ali. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokontany sy ny kaominina nahafahana nanangona ireo mpisitraka ireo. “Manampy be ny filàn’ny mponina ny fanaovana asa soa sy ny fanampiana ny vahoaka tahaka izao ary tsy hijerena finoana izany”, hoy ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.
Fikambanana lehibe iray eto Afrika, ivondronan’ny avarampianarana amin’ny sehatra teolojia islamo ny fondation Mohamed IV. Misy sampana 48 manerana ny Afrika izy ireo. Tanjona ny fampielezana ny finoana silamo, mifototra amin’ny fifanampiana, ny fifamelana, ny firahalahiana ary ny fandriampahalemana. Mba hahafahana mametraka ny fitoniaina ara-tsosialy sy fandriampahalemana eo amin’ny rehetra.
Mino