FANTINA sy FINTINA

Tsy manaiky ny fitangosana Ticket amin’ireo mpivarotra Ravololomanana Lalatiana. Nambarany fa miteraka kolikoly izany ary mandrava ny ezaka efa natomboky ny ben’ny Tanàna teo aloha, Andriantsito­haina Naina. “Sakana amin’ny digitalisation” sy ny mangarahara ary ny ady amin’ny kolikoly izany”, hoy izy tetsy Analakely, omaly.

Nanome toromarika ny mpanara-dia azy eo anivon’ny Tim Firaisankina, Ravalomanana, omaly, tany Tanambe. Nampahafantarina tamin’izany koa fa mbola kandidà, Rabekijana Solofohery. Namelona ny fanantenana ireo vahoaka tany an-toerana izany ho fanavotana ny firenena, araka ny lahateny.

Natolotra ny fitsarana ao Antsirabe, omaly, ny karatra fanarahan-draharaha “Carnet de Suivi”. Tafi­ditra ao anatin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana hiadiana amin’ny kolikoky sy ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiasana izany. Hanamora ny fanatonan’ny vahoaka ny fitsarana sy ny fanafoanana ny asan’ny mpijirika ihany koa.

Nandrangaranga handray fepetra ny « Soli­da­rité des corps à vocation administrative » raha manao bemarenina amin’ny fitakian’izy ireo ny fitondram-panjakana. “Efa ho 5 taona niandrasana amin’ny fankatoa­vana sy fanavaozana ny lalàna momba ny Adjoint d’admi­nistration izahay hampandehanana ny asanay, saingy voarirarira hatrany”, hoy izy ireo.

Partager sur: