Faribolana Sandratra : hisy ny Zarafanahy manokana

Hiavaka ny anio ! Tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ity Zarafanahy tanterahina etsy amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM-GZ) tohatohabaton’Antaninarenina ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny antsa tononkalo ka mpanoratra 17 no indray hamelona eny an-tsehatra ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Anisan’izany i Tsy Rofy, Elinivo, Fy Tsiky, Natiora Rianando, Naliha, Ny Arohy, Fah Ravelojaona, Mioranandrina, Leo Eden,Tsanta Mirindra… Miavaka, satria, tsy ny mpanoratra avy eto an-dRenivohitra ihany fa maro amin’izy ireo no avy any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara.

Anio alina ihany… Tohizana avy hatrany amin’ny “Alimbetso Zarafanahy” ity hetsika tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra ity. Hitodi-doha any Andohamandry Ambohimalaza (lalana Anjeva), ny fianakaviamben’ny Sandratra. any an-toerana, mandritra ny afondasy no hiantsa sy hikorana ary hifampizara traikefa ny rehetra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: