Ambohipihaonan’ny mpankafy sarimihetsika indray ny eny amin’ny IFM Analakely, mandritra ny roa andro. Hahazo tombony manokana ireo sarimihetsika novokarin’ny tanora afrikanina.
Tanterahina ny 26 sy 27 avrily 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), ny «Festival du film francophone», karakarain’ny masoivohon’i Frantsa sy Canada eto Madagasikara. Araka ny anarany, ireo sarimihetsika amin’ ny teny frantsay sy novokarina mpanatontosa sy mpanoratra mampiasa ny teny frantsay no mandray anjara amin’ny hetsika. Ankoatra ny fampiroboroboana sy fampivelarana ireny sarimihetsika ireny. Tanjona koa ny hitondra tosika ho an’ny sarimihetsika malagasy. Ankoatra ny «Festival du film francophone». Ankalazaina miaraka amin’ity hetsika ity ihany koa ny «Fête du Court metrage».
Sarimihetsika miisa 8, samy manana ny maha izy azy no handeha mandritra ny hetsika. Anisan’izany ny sokajy “Jeune Création Africaine”, ahitana sarimihetsika enina, notontosaina tanora avy amin’ ny firenena eto Afrika toy ny “Timis”, “L’envoyée de Dieu”, “L’Ombre des Papillons”, “Chitana”, «Machini» ary «Garibou». Voafidin’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF) halefa mandritra ny «Fête du Court metrage» sy izao hetsika izao ireo sarimihetsika ireo noho izy nataona tanora Afrikanina.
Hisy anefa ny sarimihetsika hafa ankoatra ireo. Anisan’izany ny «Dounia et le Princesse d’Alep», notontosain’i Marya Zarif sy André Kida. Sarimihetsika natolotry ny masoivohon’i Canada ho alefa mandritra ny hetsika. Eo ihany koa ny “Les Inséparables”, sarimihetsika manana ny maha izy azy, notontosain’i Jérémie Degruson, nivoaka ny taona 2023.
Lin