Hametraka ny fepetra rehetra iarahana miasa amin’ny governemanta sy ny mpitandro filaminana ny eo anivon’ny Ceni, amin’ny hiatrehana ny fifidianana depiote.
Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika, fa efa mametraka ireo lamina rehetra momba izany izy ireo izao. “Anisan’ny fepetra horaisina tahaka ny natao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny hiantsoana ireo lehiben’ny mpitandro filaminana hanamafy ny fandriampahalemana amin’ireny toerana tsy lavitra ny birao fandatsaham-bato ireny mba hisorohana ny mety korontana”, hoy izy. Tsy hihambahamba fa afaka miditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha miseho ny savorovoro, mialoha na mandritra ary aorian’ny fifidianana, araka ny nambarany. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fanaovana andrimaso na koa fiambenana ireo fitaovana sy antontan-taratasim-pifidianana rehetra.
Efa mametraka ny paikady
Etsy andaniny, notsiahiviny fa efa voalazan’ny didim-panjakana momba ny fifidianana depiote koa ireo fepetra maro samihafa amin’ny fampielezan-kevitra ka tokony hanaraka izany ireo kandidà na ireo komity mpanohana na ny mpanara-dia ny mpirotsaka hofidina.
Ankoatra izany, efa ao anatin’ny fahavononana amin’ ny hiatrehana izany ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Efa mametraka ny paikady sy ny lamina rehetra izy ireo mba hampizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana depiote. Mbola hampahafantarina amin’ny fotoana mahamety azy ny fandrindrana sy ny fepetra horaisin’izy ireo momba izany, indrindra ny eo anivon’ ny zandary.
Synèse R.