Fampirantiana an-tsary ny tolona, fizaham-pahasalamana an’ireo zokiolona nitolona ho an’ny tanindrazana 70 taona no ho miakatra… Ireo no nanombohana ny fahatsiarovana ny faha-77 taon’ny 29 marsa 1947 teny amin’ny zaridainan’ Anosy, omaly. “Manana adidy hanampy hampita amin’ireo zanatsika ny tantara nisy marina ny taranaka ankehitriny”, hoy ny tale misahana ny mpiady tia tanindrazana sady filohan’ny komity mpikarakara, ny jeneraly Randrianantenaina Emilson. Koa hampitaina amin’izany ny lanjan’ny fitiavan-tanindrazana ananan’ny Malagasy sy ny fiaraha-mientana nisy teo amin’ izy ireo mba ho soa ho an’ny tanindrazana. Maro tamin’izy ireo no latsa-dra, nitondra takaitra, namoy ny ainy noho ny fitiavan-tanindrazana. Manome lanja izany ary manome hasina ny mpitolona ny fitondrana, amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana ireo sisa mbola velona, ka manome azy ireo ny vola fiahy isan-telovolana sy ny fanonerana ny saram-pitsaboana ho azy ireo…
“Ny fitiavana dia fahafoizana ny tena, ny aina, ny harena ho an’ny zavatra iray. Eo koa ny hoe tanindrazana”, hoy kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard, nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika. I Madagasikara no tanindrazana. Tenenina izay fa maro loatra ny manasaraka ny Malagasy: foko, fivavahana, firazanana… Ny mampisaraka no be, fa tsy ny tanindrazana sy ny fitiavan-tanindrazana. Fikatsahana manontolo ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fitiavan-tanindrazana, mandroso mankany amin’ny fiadanan’ny Malagasy tsirairay.
R. Nd.