INDRAY MIJERY

Mpilatsaka an-tsitrapo japoney miisa 3 nahatanteraka ny asany no nitodidoha any Japon. Nandritra ny herintaona sy tapany ny fampitana iraka nataony teto Madagasikara. Nanampy sy nanatsara ny fiainan’ny tantsaha, ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ary ny fampiroboroboana ny harenan’ny olona, indrindra ny tanora, izy ireo.
Nifampizara traikefa mahakasika ny «digitalisation» ho an’ny sehatry ny fanabeazana ireo tomponandraikitra maro miantsehatra amin’izany, tamin’ity herinandro ity. Nitarika ny fifampizarana ny vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Jica ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Nivory teto Antananarivo ny vovonam-pirenena misahana ny fanabeazana mampiaty, tamin’ity herinandro ity. Nandray anjara tamin’izany ny foibe misahana ny fampianarana manara-drafitra (DENF) sy ireo fikambanana maro ao anatin’ny PNEI. Tanjona ny hampiroborobo ny fanabeazana mampiaty sy tsara kalitao ho an’ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara.

Partager sur: