Lalao ara-pirahalahiana : resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi

Tsara ny vokatra azon’ny ekipa malagasy Barea, tamin’ny lalao voalohan’ny “Fenêtre Fifa”. Nahazo fandresena nanoloana an’i Burundi izy ireo.

Notanterahina; omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny lalao ara-pirahalahiana tafi­ditra amin’ny “Fenêtre Fifa”, karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Resin’i Madagasikara tamin’ny isa 1 no ho 0 i Bu­rundi. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, ny baolina tokana tafiditry Raveloson Rayan, kapitenin’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny mi­nitra faha-19, fizaram-potoana voalohany, no nitondra ny fandresena ho an’ny ekipa mala­gasy. Maro ireo baolina tokony ho tafiditra ho an’ny andaniny sy ny ankilany, saingy nidona tamin’ny tsivalamby. Tsy mbola afa-bela tamin’ny Barea, araka izany, ny ekipam-pirenena borondey. Tsiahivina fa resin’i Madagasikara 1 no ho 0 i Burundi, nandritra ny “Can 2019”, natao tany Égypte. Hifanandrina amin’i Rwanda indray ny ekipam-pirenena malagasy, ny alatsinainy ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ihany.
Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko kosa i Rwanda sy i Botswana, teo amin’ny lalao faharoa nikatrohan’izy ireo.

Hoy izy ireo:
“Misy foana ny fanatsa­rana amin’ny lalao toy ireny. Azo antenaina fa hihatsara izany amin’ny fihaonana faharoa”, hoy Rakotondrabe Ro­muald Félix, mpanazatran’ny Barea.
“Nivoatra ny filalaon’i Mada­gasikara. Tsy nitovy tamin’ny 2019 ny endri-dalao nasehon’ izy ireo”, hoy ny kapitenin’i Burundi, Christophe Nduwa­rugira.

Fitia Randria

Partager sur: