Nitrangana haintrano mahatsiravina teny Mahazoarivo, omaly tolakandro. Nirehitra ny caserne militaire EP1 eny an-toerana, lalana mankany amin’ny Primatiora. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nifehy ny afo. Nanomboka tamin’ny 4 ora mahery teo ny firehetana ary tsy maty izany raha tsy tamin’ny 5 ora tany ho any. Tsy niala teny an-toerana izy ireo raha tsy maty tanteraka ny otrikafo. Mbola tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo. Ny fanadihadiana no ahafahana mahalala izany.
Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy nandritra ity haintrano goavana ity, raha ny vaovao voaray. Ilay trano sy ny fanaka sasantsasany kosa no hotohoton’ny afo.
Andry F.