Nankalazaina omaly 22 marsa, tany Morondava, ny Andro maneran-tany ho an’ny rano. Lohahevitra noraisina ny hoe « Rano antoky ny filaminana ». Mikendry ny hanasongadinana ny anjara asa lehiben’ny rano amin’ny fampiroboroboana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, ny fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana maharitra.
Nitarika ny fotoana, tany Morondava, ny minisitry ny Rano, ny fanadiovana sy fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (PTF). Teo daholo koa ny vondrom-piarahamonina rehetra any an-toerana.
Nisy ny diabe nitety tanàna nataon’ny mpisehatra, nanairana ny mponina ny maha zava-dehibe ny rano. Teo koa ny tsenabe, nahitana fampirantiana sy fifanakalozan-kevitra. Nasongadin’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo tamin’ny lahateny nataony fa miteraka olana sy disadisa matetika ny lafiny rano, toy ny eo amin’ny samy mpampiasa rano amin’ny fambolena, ohatra. Anisan’ny nikarohana vahaolana mba hitondra fampandrosoana maharitra ity fankalazana tany Morondava ity.
Njaka A.