Milofo hatrany amin’ny fanabeazana ny ankizivavy sy ny zatovovavy ao aminy ny sampana Mpanazava Analamanga Avaratra. Manomana rindran-kira lehibe izy ireo iarahana amin’ny Ampifitia, ny alahady izao, ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana, amin’ ny 2 ora tolakandro.
Tanjona ny hampandroso hatrany ny fanabeazana ireo ankizivavy sy zatovovavy beazina ao amin’ny sampana sy ny fivondronana tsirairay. Miara-manandratra amin’ny Mpanazava rehetra ny hiaka ho an’ ny ankizivavy sy ny tontolony izy ireo. Efa nahavita ny fiofanana Tonia sy mpandrindra Mpanazava sy Tily izy ireo ny volana lasa teo. Tontosa ihany koa ny fiofanana loham-bondrona dingana faharoa tamin’ity volana ity.
Seha-pitaizana iray goavana ny sampana Mpanazava. Mamolavola ho ankizivavy vanona sy tomponandraikitra ary mandray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana. Mahaleo tena ny ankizivavy voataiza anatin’ireny sampana ireny. Entina hampiroboroboana ny sahan’asa fitaizana ireo ankizivavy no anton’ny hetsika, hiarahana amin’ny Ampifitia amin’ny alahady izao.
Tatiana A