Rugby – «Top 12 Mada» : hanala vela amin’ny Cosfa ny Uscar

Hanomboka rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby
« Top 12 Mada ». Telo ireo lalao voalahatra amin’izany. Anisan’ny fihaonana andra­san’ny rehetra ny an’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny Uscar (Kao­minina Antananarivo Reni­vohitra). Hanala vela amin’ity ry zareo Uscar. Raha tsiahi­vina, izy ireo no niatrika ny famaranana niadiana ny am­boaran’i Madagasikara 2023. Nomontsanin’ny miaramila tamin’io ry zalahy ka ity izany ny valinadiny. Ankoatra izay, adin’ny samy kartie ny an’ny USA Ankadifotsy (tapany maitso) sy ny Tam Anosibe (Thaillande). Lavon’Anosibe ry zareo Ankady tamin’ny lalaon’ ny roa tonta farany. Resy izay ratsy fanomanana, amin’ity. Hanohitra ny 3FB (Fahasala­mana) kosa ny STM (Savony). Ekipa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany. Hatreto anefa, mbola manantombo eo amin’ny fandresena ny 3FB.
Hanokatra ny fihaonana kosa ny lalao sedra hifanandrinan’ny Makis U20 sy ny CEA Andranomanalina. Ny Makis zandriny izay manoman-tena hiatrika ny “Can 2024”.

Tompondaka

Partager sur: