Hatao ny 21 avrily ho avy izao ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “RUN & BIKE”, karakarain’ny fikambanana TAO. Hotanterahina etsy Ambohibe, ao amin’ny Parking Rouge, izany. Hetsika ara-panatanjahantena ahitana hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra. Tanjona ny hanentanana ny vahoaka malagasy hanatsahatra ny fanaovana herisetra eo amin’ny ankizy tsy ampy taona.
Ankizy tsy ampy taona telo isan’andro no iharan’ny herisetra eto Madagasikara. 19% amin’izy ireo ihany no sahy manatona ny zandarimariam-pirenena, araka ny tatitra navoakan’ny Unicef. Vitsy ihany koa anefa ny ivontoerana mandray ireny ankizy niharan-doza ireny eto an-toerana. Zava-dehibe sy vahaolana mandaitra hanatsaharana ny fihetsika mamoafady ny fanentanana atao amin’ny rehetra. Tanjon’ny fikambanana ny hiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona.
Fikambanana TAO
Misehatra amin’ny fandraisana an-tanana ireo niharan’ny herisetra, indrindra ny ankizy tsy ampy taona ny fikambanana TAO. Manofana sy manentana ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly, fikambanana, fiarahamonina… ihany koa izy ireo.
Mahatratra 2 Km ny halaviran’ny lalana hodiavina am-bisikileta sy an-tongotra, mandritra izany. Mifarana amin’ny 7 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ao anaty tambajotra sosialy. Ny 30 marsa kosa ny fisoratana anarana mivantana eny amin’ny Ortana Antaninarenina, Alliance française Andavamamba, Edukely Ampahibe, MBIKE Ambatobe ary Ilay Fody Androhibe.
Mino