Niu Raza etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hotontosiana rahampitso indray ilay seho faharoa. Noho ny fangatahan’ireo mpankafy tsy nahatratra tapakila tamin’ny seho voalohany, ny alahady teo, no antony. Tsy hitovy tanteraka ny ny endri-tseho na ny hira alahatr’i Niu Raza, araka ny efa nampanantenainy.
Ny ao amin’ny «Slam Suare», fikambanana ivondronan’ireo mpiangaly Slam avy ao Antsiranana, indray no hanatanteraka ny fifantenana ny ho solontenan’izy ireo mandritra ny «Slam nasional 2024». Anio tolakandro ao amin’ny Mbarakaly no hanatontosana izany. Antananarivo sy Fianarantsoa no efa nahavita ny fifantenana hatreto.
Anisan’ny mandray anjara lehibe amin’ny fampiroboroboana ny kanto ny tambajotran-tserasera ankehitriny. Fa tsy azo hadinoina koa fa mametraka ny lazan’ny mpanao kanto izy ireny. Mety ho laza tsara, mety ny mifanohitra amin’izany. Saba-droa lela, toa milaza fa tsy mora ny mifehy ny teknolojia manoloana ny zavakanto.
Tanterahina nanomboka omaly ary hifarana anio, ao amin’ny Alliance française Mahajanga, ny “Prix de Littérature francophone», andiany voalohany. Fifaninanana natao ho an’ireo mpanoratra boky mampiasa ny teny frantsay. Ankoatra ny fifaninanana, misy ihany koa ny valandresaka sy fifanakalozana, iarahana amin’i Roukiata Ouendraogo, Afrikanina mpanoratra malaza, indrindra tamin’ilay bokiny «Du miel sous les galettes».