Andrasana amin’ny taona ho avy ny fandehanan’ny train urbain izay ho lasa ho train électique, izany hoe, handeha amin’ny herinaratra. Efa an-dalana kosa ny fanafarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fampandehanana ny tetikasa. Antony tsy hahatrarana ny fe-potoana voalaza teo aloha tokony hampiasana ity zotram-pitanterana ity. «Anatin’ny fanafarana ireo fitaovana ilaina hanatanterahana ny tetikasa isika. Amboarina manaraka izay koa ny fotoana hanaovana ny asa izay hiarahana amin’ny fitaterana an-tariby », hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonjavelo Valery. Notohizany fa havaozina sy hatao matihanina ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, handray anjara amin’ izany ny train urbain.
Fotodrafitrasa
Mila herinaratra 6MW ny fampandehanana ny train électrique. Ity farany izay mandany kokoa raha oharina amin’ny solika. Mitaky fotodrafitrasa sy fitaovana ary kojakoja samihafa ny tetikasa izay hanatsarana ny tontolon’ny fitaterana eto an-drenivohitra. Tsiahivina fa hahazaka hatrany amin’ny 300 olona ity fitaterana vaovao ity. Natao hanampy betsaka amin’ny fivezivezen’ny mponina. Hiarahana amin’ny Madarail kosa ny fanamboarana ireo tobim-piantsonana.
Henintsoa Hani