Vokatra Mavitrika : Karazam-bary be otrikaina indrindra

Mavitrika! Io indray no karazam-bary vaovao ho an’ny tantsaha novolavolain’ireo mpikaroka ao amin’ny Fofifa. Sady be otrikaina no mamokatra be rehefa voakarakara ity masomboly vaovao voafantina ity.

Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny voka-pikarohana Mavitrika. Karazam-bary voalohany be otrikaina sy manana tahana “zinc” ambony indrindra eto Madagasikara.
Vinavinaina ho azon’ireo mpamboly ampiasaina amin’ny taom-pambolena 2025-2026 ity voka-pikarohana ity hanatsarana ny voka-bary sy hitondra fahasalamana ho an’ny Malagasy. Vokatra 1,8 taonina/ha amin’ny tany tsy lonaka no heverina ho azo ao anatin’ny taom-pambolena iray. Miakatra hatramin’ny 4,5 taonina/ha kosa ny vokatra raha amin’ny tany lonaka, misy zezika sy voakarakara.

Hanampy betsaka amin’ny famokaram-bary sy famatsiana anatiny ny vokatra raha voatrandraka tsara sy manaraka ny teknikam-pambolena ireo mpamboly. Ankoatra izay, hitondra tombony amin’ny fahasalamana ity voka-bary Mavitrika ity noho ny tahan’ny zinc ambony ao aminy.

Masomboly vaovao voatsara, natao indrindra ho an’ireo tantsaha ary mamokatra tsara kokoa noho ny karazam-bary hafa izy io.
Mamaly ny politika ankapoben’ny fanjakana
Niarahana tamin’ireo Ma­la­gasy mpikaroka avy ao amin’ny foibem-pikarohana momba ny fambolena sy fiompiana ampiharina ho fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fofifa ) sy ny mpikaroka avy ao amin’ny JIRCAS (Ivontoerana fikarohana iraisam-pirenena japoney momba ny siansa sy ny fambolena) ity karazam-bary ity.

Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona hikarohana ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny famokarana izao. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy an’ireo mpisehatra momba ny famokarana sy ny fanaparitahana masomboly ny vokatra tamin’ity herinandro ity.

Mamaly ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny tetikasa. Ho fanapariahana azy dia hovokarina eny amin’ny Fofifa ny masomboly fototra ho azon’n y tantsaha jifaina.

Marihina fa efa nisy ny karazam-bary roa vaovao nomena ny anarana hoe Fyvary 32 sy Fyvary 85 nampahafantarina tamin’ny roa taona lasa. Voka-pikarohana natomboka ny taona 2015 izay notanterahin’ny Fofifa sy ny JIRCAS hatrany ary niarahana akaiky tamin’ireo tantsaha.

Tatiana A

Partager sur: