Mbola ambentin-dresaky ny rehetra aloha hatramin’izao ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar, amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026». Samy manana ny fahitany ny lalao nasehon’ireo mpilalao najoro sy ny endri-dalaon’ny ekipa iray manontolo ny mpijery tsirairay avy.
Etsy an-kilany, misy mamalan-kira sy feo mivaralila mivezivezy ety ivelan’ny kianja. Feo toa manaitra ny sasany ny amin’ ny tsy fahatongavan’ireo mpilalao mila ravinahitra sasany nantsoina. Antso toa misintona lakolosy ary finiavana te hanakorontana ny efa milamina. Avoakan’izany feo izany indray mantsy ny resa-bola, ho fototry ny olana tsy namalian’ireo mpilalao matihanina ny antson’ny mpanazatra sy ny federasiona. Voizin’izany feo izany fa noho ny tsy fahazoan-dry zalahy ny tambin-kasasarana «primes» tamin’ny lalao farany, nahatonga ireo mpilalao avy any ivelany tsy hanao Barea intsony. Mamalan-kira sy feo mivaralila satria tsy hain’ilay feo akory na «primes» oviana izany na oviana fa ventesina mangina fotsiny.
Be loatra ny feo mivaralila sy mamalan-kira ao anatin’ity tontolon’ny baolina kitra ity, ka tsy hay intsony ny marina sy ny diso. Toa misy ny feo azo inoana nefa fisaka ny rariny ka saro-tadiavina.
Toa rariny raha mahazo vahana ny famalanan-kira sy ny feo mivaralila satria samy tsy te ho tomponandraikitra izay rehetra anontaniana fa miala ilany avokoa. Rehefa mivalana sy mivaralila eo ve tsy ho foy ihany io feo io ka hanana elatra hanidinana eran’izao tontolo izao, ka samy haheno azy avokoa na ny sofina tsy tokony handre aza. Sao potraka vao hoe raiso aho rahavako. Indrisy anefa fa feo mivalana sy mivaralila no ho re amin’izay.
Tompondaka