Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: manana harena azo trandrahina tsara i Matsiatra ambony

Mbola malalaka ny tontolon’ny fampiasam-bola ao amin’ny faritra Matsiara ambony ho fampandrosoana ny toekarena ao an-toerana. Manana harena azo trandrahina tsara ny faritra.

Betsaka ireo sehatra azo trandrahina ho fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ny faritra Matsiatra ambony. Maherin’ny dimy ireo Oniversite, ahitana mpianatra mandalina ny tontolon’ny niomerika, izay manamora sahady ny fahitana asa sy mampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana. Faritra anisan’ny mpamokatra “huiles essentielles” betsaka indrindra manerana ny Nosy ny ao an-toerana. Maro, araka izany, ireo misehatra amin’ny fandraharahana eo amin’ny fambolena (agribusiness) toy ny famokarana “huiles essentielles” avy amin’ny géranium sy tagette izay azo avy amin’ny artémesia. Tsiahivina, maherin’ny 75 tapitrisa dolara ny vola azo tamin’ny fanondrana ireto vokatra ireto, ny taona 2022. Noho izany, nosokafana tao Fianarantsoa, ny herinandro teo, ny sampana fahafito ny biraon’ny Economic development board of Madagascar (EDBM). Tanjona ny hanamafisana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra mampandroso ny toekarena ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamorana ny fikirakirana ireo antotan-taratasy amin’ny fananganana orinasa sy ireo torolalana mifandraika amin’izany.

Fandraharahana
Hetsika ataon’ny EDBM amin’ity taona ity ny fametrahana ireo sampana samihafa manerana ny Nosy, hanatsarana sy hampandrosoana ny sehatry ny fandraharahana ho an’ny tombontsoan’ny toekarena isam-paritra. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny firenena ny tontolon’ny fandraharahana. Ankehitriny, miverina mahazo ny ovam-pivoarana taloan’ny Covid-19 ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Betsaka ireo tanora misehatra eo amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ary ny haitao ara-kajy mirindra. Ho an’ny eto an-drenivohitra, manodidina ny 1 200 ny orinasa nisokatra nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana septambra teo, nandritra ny taona 2023.

Henintsoa Hani

Partager sur: