Tafakatra dimy ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha halatra vy amin’ny andrinjiron’ny Jirama ao Manandona Antsirabe. Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tendro amin’ny fanimbana fananam-bahoaka. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zana-tobim-paritra Manandona ny orinasa Tozzigreen, mpihary herinaratra miorina ao Sahanivotry, distrikan’Antsirabe II, fa misy manongotra sy mangalatra ireo vy sy bilao mitazona ny andrinjiro lehibe mpitondra herinaratra mamatsy ny Jirama Antsirabe sy Jirama Antananarivo. Baiko avy amin’ny fitsarana no nahafahana nanohy ny fikarohana ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany. Nahazo angom-baovao ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Manandona fa hita ao Andrefantsena, tao amina mpanefy, ireo vy efa tapatapaka miisa 47. Mpivarotra vy eo amin’ny voirie no voalaza fa nividianan’izy ireo ny vy ka nosamborina koa niaraka tamin’ny vy halatra. Ny 22 marsa 2024 teo, tratran’ny zandary ireo roa lahy mpaka vy eny amin’ny andrin-jiro sy mivarotra izany. Andro alina no voalaza fa hangalaran’izy ireo ny vy. Ny iray mihanika sy manala raha mitsimpona izay latsaka kosa ny iray. Tratra tao amin’izy roa lahy ny clés fampiasany, ireo boulons sy écrous nesorina izay mbola kasaina hamidy koa. Andrasana ny tohin’ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha ity.
J.C