Fanolanana sy firaisana mamoafady: niompanan’ny fanadihadian’ ny mpikaroka dimy mianadahy

Olana lehibe eto Madagasikara ny fanolanana sy ny firaisana mamoafady, araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny Nifin’Akanga. Ny taona 2022, tamin’ny vehivavy 460 nohadihadina, 68% no niharan’ny herisetra ara-pananahana ary 14% nianjadian’ny firaisana mamoafady.

Natolotra ny faran’ny herinandro teo, teny Ankorondrano, ny valin’ ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka dimy amin’ny sehatra samihafa momba ny kolontsain’ny fanolanana sy ny firaisana amin’ny olom-pady. Fanadihadiana nokarakarain’ny Nifin’Akanga, tafiditra amin’ny fanomezana va­tsim-pianarana ho an’ny fikarohana momba io lohahevitra io. Enina mianadahy no nanolotra lohahevi-pikarohana naharesy lahatra ny mpikarakara ka voatazona hitondra fanadihadiana. Nifantoka tamin’ny «Fahantrana, fanompoan-tsampy ary firaisana mamoafady mahasaringotra tovovavy tsy manan-tsiny» ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety Randrianarisoa Riana Raymonde. Nanason­ga­di­nany, tamin’izany, fa noho ny fahantrana lalina iainan’ny fianakaviana misy ireo zatovovavy dia atao takalo hahazoana harena izy ireo.
«Ny fisehon’ny kolontsain’ ny fanolanana mandritra ny fisedrana ireo mpianatra ta­ona voalohany amin’ny sekoly ambony eto Madagasikara» no niompanan’ny fanadihadian’ ny mpianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite, Ranjalahy Cédric. Nampibaribary ny zava-misy mandritra ny fisedrana ny mpianatra lahy sy vavy. Antony nisafidianany ny lohahevitra ny fahatsapany fa tsy mbola nisy nahasahy niresaka io fisedrana «bizutage» io mihitsy nefa maro ny oniversite manao azy eto amintsika. Misy fiantraikany ara-tsaina sy ara-batana amin’ ireo mpianatra niharany anefa izany, araka ny fanadihadiana nataony.
«Santionan’ny endrika me­ty hisehoan’ny fanolanana ireo navoitran’ny fanadihadiana ireo fa tanjon’ny hetsika ny hametrahana adihevitra fa manan-danja ny lohahevitra satria mampivoitra ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina», hoy ny tomponandraikitry ny Nifin’Akanga, Raveloa­rimisa Mbolatiana.

Vonjy

Partager sur: