FANTINA sy FINTINA

Nampahafantarina omaly, tany Toamasina, ny kandidàn’ny Firaisankina, hiatrika ny fifidianana depiote ho an’iny faritany iny. Nitarika izany ireo lehiben’antoko, toy ny HVM, Tim, Tsara Tahafina. Anisan’ny mbola kandidà, Razara Pierre Fidel, Rabekijana, i Tody Arnaud…

Hita taratra ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpikambana vovonana, araka ny nambaran’ny filoha mpitarika, Ravalomanana, tao Toamasina, omaly. “Nifampitso-drano tamin’ny fifantenana ireo kandidà ary nekena avokoa rehefa niaraha-nanapaka izany”, hoy izy.

Hakana hevitra eny ifotony ny paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny CSI, ny herinandro teo. Nivory ny komity manokana hamolavola ny paikady hihatra manomboka amin’ny 2025. Hatolotra ny 9 desambra izao izany drafitra izany.

Handresy lahatra ny tanora ny FES amin’ny hidirany an-tsehatra amin’ny politika. Hatao eny Ankorondrano, ny 26 marsa izao, izany. Anisan’ny hifampidinihina ny fandraisan’anjaran’ny tanora sy ny vehivavy eo amin’ny politika sy ny fifidianana, ny fitsinjaram-pahefana…

Partager sur: