Hoy Ranoe : «Iainan’ny Faribolana Sandratra ny teny mba hanamasina ny taniny amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny literatiora». Raha io nambaran’ity mpanoratra anisan’ny nanorina ny Faribolana Sandratra, tany amin’ ny 35 taona lasa, io no iaingana ho fanamby. Nahatanteraka izany ny «mpiraifaribolana» nandritra ny Zarafanahy manokana sy ny Alimbetso notanterahina ny sabotsy teo. «Raha ny natao hatramin’ izay, niantso ireo mpanoratra sy poeta avy any amin’ny fikambanana hafa izahay. Tamin’ity, ireo mpikambana tany amin’ny sampan’ny faribolana Sandratra manerana an’i Madagasikara no vahiny sady tompon-trano», hoy hatrany Ranoe. Tonga ny avy any Fianarantsoa, Betafo, Mahajanga, Ambositra, Antsirabe, Moramanga, Toamasina, Amparafaravola, Anjeva, Manjakandriana… Sady nanome sehatra ho an’ny Faribolana Sandratra no nampiroborobo ny literationa ity Zarafanahy manokana ity.
Notohizana avy hatrany tamin’ny Alimbetso tany Ambohimalaza ny fandaharam-potoana. Fotoana nanaovana jery todika ny asa vita, hanohizana ny tsara ary hanarenana ny lesoka. Nifanakaiky hatrany ireo «mpiraifaribolana» ka afaka nifanakalo hevitra.
Marihina fa isaky ny Zarafanahy, misy hatrany ny boky avoaka, mirakitra ny sanganasan’ireo mpanoratra nandray anjara tao anatin’izany.
HaRy Razafindrakoto